VAOVAOM-PIANGONANA 18 /02/2024

 

« Célébrez l’Eternel, car Il est bon, oui, sa bonté dure éternellement » 1 CHRONIQUES 16,34

« Midera an’i Jehovah fa tsara Izy ; Fa mandrakizay ny famindram-pony. » 1 TANTARA 16,36

 

Izany tenin’Andriamanitra izany no entina hiarahabana antsika rehetra manatrika izao fotoam-pivavahana izao . Ary arahabaina manokana ihany koa ianareo vahiny mandalo sy mitsidika anay eto anio.

- Ny takarivam-bavaka amin’ny Zoma hariva izao dia hatao en présentiel eto am-piangonana ary ny SLK no mikarakara izany , ny fahatongavana dia manomboka amin’ny 7 ora hariva ary ny fanombohan’ny fampianarana dia amin’ny 8 ora hariva .

Vaovao eto an toerana:

Ho ampitaina amintsika rehetra miandalana eto ihany ny mahakasika ny fikarakaran’ny fiangonana ny fanaovam-beloma farany an’I Dominique Mananjean ,rehefa mahazo vaovao mahakasika izany ny fiangonana.

Efa nanomboka ary mitohy hatrany ny fanaovana recensement ny fiangonana, na mpandray na tsia,na lehibe na ankizy, ary hifarana izany ny alahady 16 juin2024, koa manasa antsika mba hanoratra ny anarantsika anaty lisitra ary aza adinoina ihany koa ny manoratra ny ankizy.

Ny karatry ny mpandray dia efa nozaraina , ary ho antsika izay mbola tsy nahazo izany dia aza misalasala maka izany amin’ny tompon’andraikitra, tsarovy ry Havana fa maimain-poana ny fitoriana ny filazan-tsara fa mitaky adidy avy amintsika izany ho entina manatanteraka ny asa rehetra.


Zaika be -paritra Favan 2024: dia hatao eny amin’ny Maison d’accueil, Notre Dame de la Délivrande, 10 Place de la Basilique, 14440 Douvres La Délivrande. Ny asabotsy 06 sy alahady 07 aprily 2024.

Ny Lohahevitra ho dinihana amin’izany dia araka ny voasoratra ao amin’ny filazantsaran’ny Matio 28:19

« Koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra, ka ataovy batisa ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina »

Ny Fara-fisoratana anarana dia ny Alarobia 13 marsa 2024 ho avy izao . ary amin’ny Takariva amoro-patana  dia Fandraisanan'anjara isan-tafo : 2 sy fandraisanan'anjara isan-tsampana iraisana : 2

Hitantsika ery aoriana ny fisoratana anarana ary hita eny ihany koa ny mahakasika ny sarandasy.



VAOVAON’NY SAMPANA:

S.A. Vacances ny sekoly alahady anio sy 25 février ary ny fidirana dia any 03 Mars.

STK: L'événement «Pasteur Parle Nous de ton Idendité» est de retour pour une 3ème édition :  qui aura lieu la journée du samedi 24 février 2024 à partir de 9h30 au 16 Rue Chauchat, Paris 75009 et sera également diffusé en direct Youtube de la STK National.

les intervenants partageront leurs réflexions sur les sujets clés tels que  :

  • Les missions d’un Pasteur ou d'un diacre dans l'Eglise

  • L'affectation ou encore la rémunération des Pasteurs

  • La liturgie ou encore la confession de foi adoptée par la FPMA

  • La place de la culture dans l'Eglise

Il s'agit d'un événement ouvert à tous. Portons en prière l’évènement. Qu’il puisse nous aider à fortifier notre foi sous la direction du Saint Esprit et pour la Gloire de notre Seigneur.

Au nom du Bureau National STK FPMA,

  • Ho an’izay nanao commande chocolats tamin’ny Opération chocolats FAVAN, iangaviana hanantona ny biraon’ny sampana ho an’ny fandraisana anjara. Izany dia afaka atao espèces na cheque.

FIFOHAZANA: Ho antsika izay mangetaheta asam-pifohazana manokana ankoatra ny alahady faha roa dia aza misalasala manantona na miantso ny tompon’andraikitrin’ ny fifohazana.

BIRAO: Antsoina isika birao hivory ny Talata 20 Febroary 2024

KOMITY: Antsoina ihany koa isika Komity hivory ny sabotsy 24 Febroary 2024

Izany moa dia samy ho tanterahina amin’ny alalan’ny ZOOM

Ny fiaraban’ny fiangonana ny fianakaviana Razafiarison Tolotra sy Mirelle mivady nohon’ny nazahoan’ny an’I RAZAFIARISON TIMEO dia hatao ny alahady faha 03 Mars mandritra ny fotoam-pivavahana.

Ny daty tsara ho tadidy rehetra dia hitantsika eo amin’ny fahita lavitra ary ny siten’ny fiangonana .

Ny manadio ny trano anio dia ny sampana STK

S. A+RAD

FIFOHAZANA

STK

AMF

SVK+SLK

ISIKA REHETRA

 

 

 

xxxxxx

 

 

 

 

1er dimanche

2-ème dimanche

3-ème dimanche

4 -ème dimanche

5 -ème dimanche

 

 

 

NY VONINAHITRA HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY.

 

Versets du mois

Fa Masoandro sy Ampinga Jéhovah Andriamanitra ; fahasoavana sy voninahitra no homen’i Jehovah ; tsy hiaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.
bibleicon3 Salamo 84 : 11
Ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
bibleicon1Efesiana 5 : 16
 
 
Eny, hatramin’izany andro izany Izaho no Izy, ary tsy misy maharombaka amin’ny tànako ; miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany ?
bibleicon4Isaïe 43 : 13